Nanao fanambarana momba ny fisamborana ireo tanora naneho ny heviny, anisan’ny nandrodana ny jadona sy ny tsy fanarahan-dalàna ny Seces. Nametraka ny ahiahiny izy ireo. « Tsy hisy ny tena fampandrosoana ny firenena fa ny omaly tsy miova ihany. Ambara hatrany fa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fanjakana izao », hoy izy ireo.
Hentitra ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ralambozafimbololona Fetra. “Tokony hitondra fanazavana ireo tompon’andraikitra isan-tokony rehefa vita ny fanadihadiana momba ny raharaha fifofoana ny ain’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny fikasana hanongam-panjakana », hoy izy.
Namatrampatratra ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo ny amin’ny tokony hifanajana. Nambarany fa avelao hiaina milamina ny Malagasy ary tsy tokony hotonintononina ny anarany. « Mbola tsy nanodina volam-panjakana, tsy nanondrana volamena sy « Bois de rose ». Tsy mbola niaraka tamin’ireo mafia… », hoy izy.
Nivoaka amin’ny fanginany ny filoha lefitra fahafito sady lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Nambarany fa midika ho fanonganam-panjakana amin’ny endriny vaovao indray raha hiroso amin’ny fandravana ny Antenimierampirenena, amin’izao fotoana izao.




