ANMCC: Manahy amin’ny fanararaotam-bidy

Miteraka fatiantoka eo amin’ny sehatry ny toekarena ny fivarotana vokatra nafarana amin’ny vidiny mora. Ankehi­triny, lasa resa-be amin’ny tontolon’ny fanjifana ilay margarina milanja 250 g, vidiana 1 700Ar. Voakasika amin’izany ireo vokatra avy ao Afrika atsimo, Indonezia, Malezia, Tonizia ary Türkyie. “Ambany lavitra noho ny famokarana eto amintsika ny vidin’ireo vokatra ireo ka mampiahiahy ny fisian’ny politika manitsakitsaka” (prix prédateurs), araka ny fanambarana nataon’ny fahefana nasionaly misahana ny Fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC). Mety hanakorontana ny fifaninanana sy hanimba famokarana eto an-toerana ny zava-misy. Antony nahatonga ny ANMCC nanokatra fanadihadiana mom­ba ny fiarovana (sauvegarde) sy ny fanararaotam-bidy (antidumping). Nivoitra tao anatin’izay fa nahatratra hatramin’ny 64% ny anjara tsenan’ny vokatra plastika ny taona 2025. Mitombo hatrany ihany koa ny zava-pisotro hafaran’i Madaga­sikara izay mitana ny ampahany betsaka eo amin’ny tsena ka manimba ny mpamokatra eto an-toerana. Manara-maso akaiky ireo fomba fanao tsy ara-drariny kosa ny “dumping”. Nisongadina tao anatin’ny fanadihadiana fa nihena 25% ny tsenan’ny vokatra anatiny raha mahazo vahana kosa ireo nafarana. Ankehitriny, manara-maso akaiky ny zava-misy ny ANMCC ary miantso ireo mpamokatra eto an-toerana hitondra porofo sy fanampim-baovao samihafa mba hanampy amin’ny fanapahan-kevitra momba ny fepetra fanitsiana ara-barotra. Tanjona ny hampifandanja ny tsena sy hampiroborobo ny famokaran’ny indostria anatiny.
Kendrena manokana ny hisarihana ny fampiasam-bola indostrialy manaja ny fifanarahana iraisam-pirenena. Tafidi­tra ao anatin’izany ny fifehezana ny fanafarana izay tsy ma­nohitra ny varotra malalaka ho an’ny tombontsoa ara-toekarena

Henintsoa

Partager sur: