Hetsika goavana, angamba goavana indrindra teo amin’ny tantaran’ny zavakanto tao Toliara iny « Tsapiky Festivaly » iny. Jery todika sy fintina.
Harembakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana eo anivon’ny Unesco. Mety tsy tsapan’ny rehetra, saingy zava-dehibe miendrika fandresena hoan’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy izay. Fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny tsapiky izay tafiditra anatin’io sokajy io no tena notontosaina tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Marina fa somary takona izay tanatin’ny kabary nifandimbiasana izay nirona kokoa tany amin’ny politika, saingy tsy navelan’ireo mpisehatra tsy hisongadina ny tsapiky.
70 000 teo ho eo raha tombanana ny isan’ireo olona nameno ny kianja Maître Kira tao Andaboly, nandritra ny 2 andro sy 2 alina nisesy. Fanamafisam-peo roa anisan’ny goavana indrindra eto no nafarana. Tarika manodidina ny 40, izany hoe, mpanakanto maherin’ny 400 no tafavory nandritra ny hetsika. Tsy navahana fa niara-nitakosina teo ireo efa kalaza maneran-tany mihitsy, sy ireo avy any ambanivolo sambany niaka-tsehatra lehibe. Mozika iray namory : ny tsapiky.
Tombony ho an’ny mpanakanto
« Faly kosa aho satria 43 taona izao no nanaovako mozika, ka anisany ny tsapiky. Lasa vakoka iraisam-pirenena izany, izahay nahazo mariboninahitra izay porofo fa mba nisy ezaka natao tao. Izahay mbola manohy, izany hoe, manantena fa mbola hamiratra kokoa noho izao izy ity », hoy i Zezex, tanatin’ny hafaliana tanteraka. « Maro izay ezaka natao mba hamirapiratan’ny tsapiky sy ny karazana dihy sy mozika miaraka aminy izay », hoy kosa i Jean Piso, andrarezin’ny fitendrena angorodao, anisan’ireo Sairy Matoy koa. « Ny raiko, Pascal efa hainareo ny filalaovany ny tsapiky amin’ny gitara. Ny reniko, Rasoakinike, anisan’ny nampalaza ny tsapiky manerana an’i Madagasikara. Manohy ny lalana aho, ary nitrandraka ny tsapiky-salegy mba ho lasa lavitra kokoa izany », hoy kosa i Lico Kininike.
Gadona vao haingana
Mahavaly ny ampahany amin’ny fanontanian’ny maro ireo, hoe fa maninona no tsapiky fa tsy gadona hafa ? Dingana marobe no nolalovana, narahina adisisika maro vao tonga tamin’izao ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Marina tokoa fa gadona azo lazaina vao haingana satria tany amin’ny taona 1970 tany ho any vao tena nisoritra izy ity, kanefa noho ny fivoarany sy ny fihanahany dia tonga amin’izao ny tsapiky. « ny taona 1976 no nanomboka nisy ny tsapiky. Ny gadona jerk no nakan’ireo nanao azy voalohany tahaka. Nisy kapila nataon’i Fredy Ranarison nivoaka tao amin’ny discomad nialoha izay nitrandraka ny jerk koa. Nanaraka izany ireo mpitendry teto Toliara toa an-dry Maxi Martial sy Zix Rolland. Ry Kaboto, Boloko, Tsitahake kosa no tena nanao an’io tsapiky amin’ny endriny izao io. Tsy nisy hira fa feon-kira mihetsika, mifototra amin’ny gitara sy amponga maroanaka fotsiny. I Alexis kosa no nampiditra hira voalohany tamin’ny tsapiky. Nisy karazan-dihy niaraka tamin’ny tsapiky avy eo », hoy ny fitantaran’i Zezex. Amin’ny maha lasa harembakoka iraisam-pirenena azy tsy maintsy narahina fikarohana siantifika sy ara-tantara izany, izay anton’ny velakevitra tao amin’ny Oniversiten’i Toliara .
Zo ny Aina




