“Betsaka ireo lalana feno lavadavaka, mbola maro ireo toerana misy fako. Ny fanadiovana aloha no laharam-pahamehana, alamina faran’izay azo atao”. Io ny nambaran’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ralambomanana Feno, tamin’ny mpanao gazety taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana, Rajonson Zaratiana Finaritra, teny amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, omaly. Ny lalàna hatrany no atao arofanina amin’ny asa atao; eny, na tsy misy aza ny mpanolotsain’ny Tanàna amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Tsy mora ny zava-misy eto Antananarivo. Izay no nohararaotiny nitaomany fa tsy ho an’ny mponina ihany ny tanànan’Antananarivo, fa an’ny Malagasy rehetra na aiza na aiza misy azy. Hatao izay haha tanàna mendrika azy, hahate ho tia sy maha te honina. Mba ho maodely izany renivohitr’i Madagasikara izany. Ny fandaminana tsy hoe fisavoritahana fa hitadiavam-bahaolana iarahana amin’ny fifampiresahana.
“Efa nekeko am-panetren-tena ny fanendrena”, hoy kosa ny kabariny tamin’ny nandraisany ny asany. Toky no omeny fa hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana sy fiarahamonina sivily ary ny mpiara-miasa isan-tokony, indrindra ny vahoaka, izy. Mba tena hitondra fanavaozana ho an’ny tanàna eto Antananarivo izay renivohitra iombonana. Hifantoka amin’ny fanadiovana ny asa. Mankasitraka ireo mpitantana teo aloha amin’ireo asa efa vitan’izy ireo izy. Anisan’izany ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana.
Ankoatra ny maha renivohitr’i Madagasikara an’Antananarivo Renivohitra, manana toerana sy lanja eo amin’ny sehatry ny politika hatrany ny fitantanana azy, indrindra amin’izao hoe olon’ny antoko politika izao no eo. Hanao ahoana? Ho hita eo…
R. Nd.




