Tafiditra amin’ny andiany faharoa ny fifaninanana « T.Love », hitiliana izay manan-talenta amin’ny filalaovana tantara faheno amin’ny Radio (Tantara an’onjampeo). Lasan’i Nasandratra sy i Harinala ny amboara tamin’ity hetsika karakarain’ny Tapaporohana Production ity. Tontosa ny 18 avrily teo, tao amin’ny JB Amboditsiry ny fanolorana ny fanomezana avy amin’ny JB Madagascar. « Chèque Cadeau Gouty » mitentina iray tapitrisa ariary no azon’izy ireo. Niampy « Médaille d’or », mari-pahatsiarovana tamin’ny fandresena. Nisy koa ny « Panier Gouty » ahitana ireo vokatra avy amin’ny mpanohana ny « T.Love », andiany faharoa.
« Ankehitriny, tsapa ho miha manakaiky ny vahoaka kokoa ny tantara an’onjampeo, zavakanto miavaka sy tsy tontan’ny ela. Anisan’ireo kanto mahatety vanim-potoana. Antony iray lehibe nametrahan’ny Tapaporohana Production ny hitsinjovana ny hoavin’ny tontolon’ny tantara an’onjampeo malagasy », hoy ny tomponandraikitra voalohany mitantana ity trano mpamokatra ity. Tsy mijanona ho lalao fotsiny, rahateo, ity fifaninanana « T.Love » ity fa hantsoina hanatevin-daharana ireo mpilalao tantara faheno amin’ny Radio manerana an’i Madagasikara ireo nandresy.
Tsy mijanona ho fialamboly fotsiny ny tantara an’onjampeo fa manabe, mitaiza, mitondra hafatra eny anivon’ny fiarahamonina noho izy akaiky vahoaka. Tsy mifidy saranga na taona ny fankafizana azy. Azo lazaina fa zavakanto mampiray ny Malagasy manontolo. Mampanantena ny tsara indrindra hatrany ho an’ny mpankafy tantara faheno amin’ny Radio manerana an’i Madagasikara ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ity tontolo ity.
HaRy Razafindrakoto




