Tafahoatra ny rapa-dango

 

Tena mahavariana ihany Ramalagasy. Tia mihinana amam-bolony loatra ka mora viraviraina. Azo lazaina ho fararanom-baovao ny eto amin’ny tanàna. Izay mivoaka avy any “babany” avokoa. Manodoka sy mahavelombolo ny zava-miseho, raha atao indray mitopy. Raha tsy mandinika lalina sy tia karokaroka aloha dia tena mihevitra hoe “milay ilay tanàna”, “favoris” ny mpitondra. Tsy mbola nisy tahaka ity!
Rehefa zohina akaiky sy tomorina anefa, toa fitaka sy fandrika no boboka. Asa na noho ny tsy fahalalana na finiavana ny hivarotra tanindrazana an-kitsirano? Raha ilay voalohany dia somary maha sanganehana ny hiresaka azy. Tsy misy olona mahay sy fetsy noho ireo mitazona lakile amin’izao fotoana, angamba. Sady nianatra no mbola mpahay stratejika avokoa. Tsy olona fambaka mora izany.
Raha ilay faharoa indray, mahalasa saina tanteraka. Angaha tsy mitsinjo lavitra sy tsy mikendry ny mba haka tsirony am-polo taonany tahaka ny mpanofa trano nodimbiasana? Raha ny zava-misy ankehitriny manko, toa manahirana ny hiresaka ilay fanaovana rapa-dango. Sanatrian’ny vava ka mamba noana avy any ka manesitsesika, tsy mahalala onina. Tena mibaribary ilay fisesehana raha mahampy. Sao ho rafotsibe kendam-boamanga! Ho fatin’ny nasesiky ny tanany!
Soa aloha fa efa nomen-danja ny fahafahana miteny sy maneho hevitra, fa raha tsy izany mety ho kofonkofona ihany Ramalagasy. Sady efa tsy mahita mangirana no mbola hizaka ny fitiavan-tenan’ny sasany. Matoky tena loatra ry zalahy mpindrana fahefana. Mbola misimisy ihany anefa ny fotoana hifampitsarana. Tsy mbola nisy afa-bela na niala moramora tanaty filaminana izany ny mpanao ratsy. Masina rahateo ity Madagasikara ity!

r.r

Partager sur: