Ramboarivelo Andrianantenaina Jocelyn Willy no depiote ho an’́ny boriborintany fahatelo, Antananarivo Renivohitra, araka ny fanapahan’ny HCC, omaly. Anton’izany ny nanendrena ny solombavambahoaka teo aloha, Ralambomanana Feno, ho PDS Antananarivo Renivohitra, manomboka izao.
Mila mitambatra ireo rehetra niara-nitolona mba tsy ho voazara noho ny tombontsoa, araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Komitin’ny tolona (KMT), Miary Rasolofoarijaona. Nanteriny fa ilaina ny saina mandinika sy nianatra miaraka amin’ny fahendren’ireo zoky. «Miara-mitantana sy manangana rafitra vaovao isika», hoy izy.
Tsy miova amin’ny foto-kevitra tsy fankasitrahana ny hisokafan’ny orinasa Vara Mada (Base Toliara teo aloha), ny antoko Otrikafo sy ny fikambanana Masikoro Arivolahy, Antananarivo. Nambaran’ny mpitarika, Rabevahiny Elia, fa efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny filohan’ny Fanavaozana momba izany.
Herinandro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahana eo amin’ny asa fanaovan-gazety, taona 2026. Hanomboka ny 27 avrily, etsy amin’ny Havoria Anosy izany ary hitohy hatramin’ny 15 mey. Lohahevitra iraisam-pirenena amin’izany ny «Manorina hoavy ao anaty fandriampahalemana».




