Napetraka ny tetikasa Decim, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, asa vonjy taitra, hanampiana ireo traboina, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany Toamasina farany teo. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny ao amin’ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Nambaran’ny talen’ny Varotra StarTimes, i Florence Zhu, fa mpiara-miombon’antoka, mandray anjara amin’ity tetikasa ity ny orinasa StarTimes. Nanolotra kojakoja jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 1 200, izay tokantrano efa voatilin’ny BNG RC, ao amin’ny fokontany miisa efatra (Ambodilazana, Ambodimanga, Andranompony ary Lomboka), distrika Toamasina II. Kokajoka jiro S50 C, ahitana takelaka misarika herin’ny masoandro 15W, bateria ary takamoa miisa 3. Miampy kojakoja misy radio, fanamafisam-peo, Bluetooth, « lecteur » MP3, USB ary tetiandro elektronika « E-calendrier ».
Tokantrano 30 000
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Decim ho vonjy aina ho an’ireo traboina vokatry ny rivodoza Gezani ity nataon’ny StarTimes ity. Mitotaly 30 000 ny kojakoja jiro avy amin’ny masoandro zaraina amin’ny tokantrano tena voa mafy ao amin’ny distrika Toamasina II.
Efa nitondra fanampiana ilaina andavanandro, PPN ny StarTimes, ho an’ny traboina tao Toamasina I.
Njaka A.




