Fandaharanasan’ny Fanavaozana : Hiainga eny amin’ny fokontany ny fakan-kevitra

Notanterahina omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Niompana tamin’ny fampahafantarana ny fandaharanasan’ny Fanavaozana izany.

Anisan’ny nivoitra tamin’ ny fihaonana ny fam­pahalalana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka ara-bola sy teknika (PTF) ny antsipirian’ireo tetiandro, ny pai­kady hanatatanterahana izany ary ny vina efa voarakitra ao anatin’ny programanasan’ny Fanavaozana. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana ny fakan-kevitra isan’ambaratonga.
« Miainga avy anivon’ny fokontany izany. Mandalo eny amin’ny kaominina sy ny distrika. Avy eo mitohy any amin’ny faritra ary ny nasionaly amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena », hoy ny minisitra misahana ny Fanavao­zana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nohamafisiny fa haroso amin’ny volana mey raha tokony ho ny volana jolay ny fikaonandoham-pirenena. Hivoaka tsy ho ela ny daty momba izany, araka ny nambarany.
Nanamafy kosa ny Prai­minisitra, Rajaonarison Ma­mitiana, fa hametraka fanavaozana lalina isika. Hanan­gana Repoblika vaovao ary ny tanora no ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana, araka ny nambarany. “Anisan’ny vina ny fametrahana Repoblika vaovao miorina amin’ny fanjakana tan-dalàna sy ny fanatanterahana fifidianana madio.

Misy ny tohana

Nanao antso avo ho amin’ ny fanentanana ny mpiara-miombon’antoka hanohana io programasan’ny Fanavao­zana io ireo solontenan’ny fitondram-panjakana.
Niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana ny fihaonana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny minisitera misahana ny Fanavao­zana, ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahanan­tena ary ny Rafitry ny Fire­nena mikambana.
Anisan’ny niatrika izany ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta sy ireo rantsamangaikan’ny fanjakana.

Synèse R.

Partager sur: