“Tafiditry ny politika loatra ny fitantanan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohan’ny “Syndicat des adjoints d’administration de Madagascar” (Synadjad), tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, omaly. Milaza ny lalàmpanorenana fa tsy azo anaovana politika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nefa tsapa ankehitriny, efa ho roapolo taona mahery: na ny olom-boatendry aza amin’izao, lasa idiran’ny politika. Ohatra amin’izany, ny amin’ireo administratera sivily manokana eny anivon’ny lafintany: be dia be no efa tsy nandalo sekoly intsony no mitana andraikitra amin’izany. Nefa ireny olona ireny no fototry ny fampandrosoana eny ifotony. Fampandrosoana no antom-pisian’ny fanjakana.
Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ny hanovana amin’izay ny fitantanana ny administratera sivily hatramin’ izay ry zareo, araka ny nambaran’ny filohan’ny Assistant d’administration, i Lahiniriko Roméo, amin’izao fanavaozana eto amin’ny firenena izao. Ny zava-misy hatramin’ izay, ireo tsy nandalo fiofanana no tena mibahan-toerana amin’ny toeran’izy ireo. Amin’izao fanovana izao, tokony hapetraka amin’izay ny lalàna, indrindra amin’ny lafintany izay olon-kafa no omena ny toerana. Satria havan’ny mpanao politika sy olona ambony. Izay no manimba ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao. Afa-miasa manerana ireo minisitera misy izy ireo. Lehiben’ny boriborintany no tena asan-dry zareo, nefa misy atao sekretera na irakiraka. Ireo tsy nandalo fiofana no ao amin’ny birao amin’ ny distrika. Araka izany, mangataka ny hananany sata manokana izy ireo.
R. Nd.




