Hifantoka betsaka amin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy Etazonia ny Madagascar–United States Trade and Investment Symposium (Mustis). Roa andro nijeren’ny andaniny sy ny ankilany ny soa fanararaotra ho an’ireo Malagasy sy amerikanina mpandraharaha momba ny varotra sy ny fampiasam-bola.
Mino sy matoky ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia eo amin’ny sehatra marolafy ny Chargée d’affaires amerikanina, Stephanie Arnold. « Azontsika jerena ireo fahafahana manamafy ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola », hoy izy. Ao anatin’izay ny fomba hampivelarana ny fahaiza-manao, hamorona asa ary hampiroborobo ny fivoarana maharitra ho tombontsoan’ny vondrom-piaraha-monintsika, raha ny fanazavany. Tanjona apetraky ny Mustis ny hanangana fiaraha-miasa matotra eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny orinasa amerikanina sy malagasy, amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo loharanon-karena sy ireo fanamby iombonana. Hita ao anatin’ny fandaharanasa ireo vondron’asa isaky ny sehatra izay mifantoka amin’ny fambolena, fizahantany, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, asatanana ary ny lamba. Marihina fa maherin’ny 100 ireo mpandray anjara, nahitana tomponandraikitra avy amin’ny rafi-panjakana malagasy sy amerikanina. Teo ihany koa ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina, ireo orinasa malagasy maniry hanitatra ny sehatr’asany eo amin’ny tsena amerikanina. Tao anatin’izay koa ireo manampahaizana samihafa avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Rafitra
« Ilaina ny manamafy sy manitatra ity fiaraha-miasa ity, amin’ny alalan’ny fanondranana vokatra voahodina sy misy sanda ambony kokoa, fa tsy hijanona amin’ny akora fototra intsony », hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC), Rasolofoarison Misa, nandritra ny fanokafana ny dinika, ny alarobia teo. Mifamatotra, hoy izy, ny varotra sy ny fampiasam-bola. Hanampy amin’ny fanamafisana izany ny famoronana asa, hampitombo ny tombontsoa ho an’ny roa tonta. Jerena manokana ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany (IDE) avy amin’i Etazonia.
Marihina fa firenena voalohany mandray ny vokatra malagasy i Etazonia. Ny taona 2025, nahatratra 3 000 miliara Ar ny fanondranana nataontsika tany an-toerana ao anatin’ny rafitry ny African Growth and Opportunity Act (Agoa).
Henintsoa




