Tohin’ny fihaonan’ny Gen Z sy ny praiminisitra : Navoaka sy atao andrimaso i Herizo Gen Z

Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo ireo solontenan’ny Gen Z, manerana ny Nosy. Samy nomena anjara fitenenana izy rehetra.

Nivaly, omaly hariva avy hatrany. Mbola nitaky ny hamoahana ny na­many, voasambotra sy tazonina any amin’ny mpitadro filaminana ireo Gen Z, tamin’ny fihaonana teny Mahazoarivo. Namaly izany ny lehiben’ny governemanta ary nanambara fa efa noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël ary niara-nisakafo taminy ny fianakavian’ireo tanora voasambotra ireo. «Andrasana ny mety ho hevitry ny filoha momba izany, ato anatin’ny andro vitsivitsy», hoy izy. Na izany aza, nambaran’ny Praiminisitra fa tsy misy olona enjehina noho ny fanehoan-kevitra ara-politika nataony. «Antony hafa no itazonana azy ireo ary tsy nisy fanakanana natao tamin’ireo hetsika nokarakarain’ireo tanora», hoy izy. Tsy niandry ela fa na­votsotra sy atao andrimaso ara-pitsarana, nanomboka omaly hariva ny mpitarika Gen Z, i Herizo. Miseho eny amin’ny fitsarana manamarina ny maha eo azy hatrany izy. Mbola mitohy kosa anefa ny fanadihadiana ary mbola mi­andry ny momba an’i Karine sy Rija, samy mbola voatazona eny amin’ny mpitandro filaminana.
Etsy andaniny, anisan’ny notakian’ireo tanora koa ny hanomezana toerana azy ireo eny anivon’ny Andrim­panja­kana samihafa, araka ny fampanantenan’ny Filo­ham-panjakana. «Am-polony ihany ireo mbola voaray ha­tramin’izao…», hoy izy ireo.

Andrimaso ara-pitsarana

Miisa 100 mahery ireo fikambanana tanora Gen Z, ara-dalàna nihaona tamin’ny lehiben’ny governemanta. Nomena fitenena roa minitra avy ny solontenan’izy ireo. Tsiahivina fa nanda ny fihaonana ny tanora mpitolona sasany eo anivon’ny Gen Z noho ny fisamborana ny namany sy ny tsy fahatanterahan’ny fitakiana natao.

Synèse R.

Partager sur: