Manomboka mangatsiaka! Efa volon’andro ririnina mihitsy ny eto amin’ny tanàna. Mahazo vahana ny hirifiry vao maraina. Efa hita ihany koa ilay andro tsy mena-mivadika. Tampoka mafana, mampanary lamba. Mazava ho azy fa manaraka izay ny fahasalamam-bahoaka. Mahazo vahana ny kohaka sy ny gripa ary ny fanaviana amin’ny endriny rehetra.
Tsy misy lasibatra manokana, samy mizaka ny tsy eran’ny aina na olon-dehibe na ny zaza. Samy mila fitandremana matotra. Iaraha-mahita fa anisan’ny vesatra ho an’ny fianakaviana ny vidim-panafody. Tsy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany no midangana, fa ny saram-pitsaboana sy ny pitsompitsony mifandraika amin’izany.
Tsy misy ankanavaka fa samy mizaka ny tsy eran’ny aina ny tsirairay raha vao voakasiky ny otrikaretina sy ny tsimokaretina. Ny manahirana, hatramin’ny aretina eto Madagasikara lasa maherihery vaika izany avokoa. Mety ho ilay hery fiarovana ve no latsaka ambany ? Sa ny mponina mihitsy no tsy ampiampy sakafo. Marefo ara-batana!
Ny tohana ara-tsaina efa tsy lazaina intsony. Raha ny tatitry ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana tamin’ny taon-dasa, efa ny antsasaky ny vahoaka malagasy no misedra fikorontanan-tsaina. Tsy sanatrian’ny vava hoe lasa « adala ». Mila fitoniana sy filaminan-tsaina amin’ny ankapobeny.
Aleo anefa misoroka toy izay mitsabo, mba hialana amin’ny fandaniana mihoapampana amin’ny fitsaboana. Mbola mitombina avokoa ny fampiasana ny ravin-kazo sy ny emboka manitra isan-karazana tamin’ny vanim-potoan’ny Covid 19. « Sery vitan’anamalaho ve hamonoana vanton’akoho? », hoy ny fomba fitenin’ny malagasy. Manome toky ny ravin-kazo !
Tsy tokony ho hamaivanina ny vita malagasy! Mahaiza mihantahanta amin’ny natiora!
r.r




