Mitaky ny hamotsorana ny mpikambana Tim, ny Kly Rabe Jules, ny avy amin’ny fikambanan-drazana Vavea sy ny fianakaviany. Nanao fanambarana izy ireo, afakomaly, tao Toliara. « Mangataka amin’ny mpitondra ny hamoahana azy izahay », hoy izy ireo. Tsiahivina fa nosamborina tamin’ity herinandro ity izy ary tazonina aty Antananarivo.
Voatendry ho mpanolotsaina manokana ny Filoham-panjakana, ny filohan’ny antoko Anjomara sy rivo-baovao, Raobelina Andry. Kandida filoham-pirenena teo aloha ary nijoro nandritra ny « Hetsika fotsy » tamin’ny desambra 2023. Mpandraharaha, nanofana sy nanohana tanora ho amin’ny famoronana asa, fananganana orinasa ary ny teknolojia izy.
Takina ny hanavoan’ny depiote mangarahara ny fanambaram-pananana, manoloana ny fandaniana ny volam-panjakana, araka ny nambaran’ny filohan’ny FMI, Ratsietison Jean Jacques. Nohitsiny fa resabe ireny firodorodon’ireo depiote ireo tany atsimo farany teo.
« Tokony ho ny laharam-pahamehan’ny distrikan’izy ireo no handaniana vola », hoy izy.
Voatendry ho lehiben’ny faritra vonjimaika any Boeny, Adakalo Nasolo, araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly. Nosoloina koa ireo sefo distrika miisa enina. Anisan’ny nahazo sefo distrika vaovao ny any Beroroha, Ivohibe, Mitsinjo, Ambato Boeny, Ambanja…




