VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 4 000 Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Nambaran’ireo mpivarotra mpanijara fa ny vidiny eny amin’ny mpivarotra ambongadiny, mpanangom-bokatra mihitsy no mahatonga an’izany. Sady fotoana mahavitsy ny vokatra avy any ifotony, toy ny any Ambohimiadana, Andramasina, Faratsiho, …, satria ambolem-bary ny velaran-tany fambolena izany. Efa tafakatra 6 500 Ar ihany koa ny kilaon’ny tongolobe, izay avy any Ambatomanoina, Mampikony, Morondava, toerana tena mpamokatra.

Niresaka mivantana ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, omaly. Nifantohan’ny fotoana ny hametrahana fifanakalozana mivantana eo amin’ny governemanta sy ny mpamatsy vola, handaharana ny laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tanjona ny hanomezan-danja ny tanora malagasy handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena.

Tontosa omaly, 24 avrily, ny famindram-pitantanana, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), teo amin’ny sekretera jeneraly (SG) teo aloha, Ramatoa Rakotomalala Dina sy ny manimby azy, Randrianarison Ndrasana­mahery. Toraka izany koa, nondimbiasan-dRazafi­manantsoa Rado Raharivololona Estel, mpandrindra jeneraly ny tetikasa (CGP) ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ihany.

Partager sur: