Dihy : Hankalazaina ny Andro iraisam-pirenena

29 avrily, Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, araka ny napetraky ny Unesco. Hanana anjara amin’ny fankalazana ity seha-kanto be mpankafy ity ihany koa ny eto Antananarivo. Hetsika maro no hanamarihana izany, raha ny nambaran’ireo solontenan’ny mpandihy, sy ireo avy amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, na ny Ofnac. Homen-danja ny famoronana dihy, raha ny notsindrian’ireo mpikarakara tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, omaly. Hanomboka amin’ny fampianarana dihy io, anio 25 avrily hatramin’ny 29 avrily izao. Ny vondron’ny mpandihy, hahitana ireo mpamorona sy mpanatontosa no hiandraikitra izany, eny amin’ny La City Ivandry.
Ny dihy amin’ny endriny rehetra kosa no haseho etsy amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina, rahampitso alahady. Samy haneho ny talentany ireo tarika mpanao soradihy, na ireo vondrona ankizy mpinamana any an-tsekoly, amin’ny 10 ora hatramin’ny 4 ora hariva. Hanana 5 minitra isaky ny tarika ireo handray anjara amin’ny seho. Hitohy amina velakevitra ny fankalazana ny alatsinainy 27 avrily, izay hatao eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Hiompana bebe kokoa amin’ny famoronana eo amin’ny tontolon’ny dihy izany. Ny talata 28 avrily kosa ny “Récréa- Danse”, izay hatao eny anivon’ireo sekoly, ho fandrisihina sy fitiliana ireo taninketsa amin’ny dihy. Ny 29 avrily, mazava loatra ny ivon’ny fankalazana, izay hatao ao amin’ny Havoria, ORTM Anosy.

Zo ny Aina

Partager sur: