Ho vahin’ny tarika Zandry Gasy i Beauzaka, Ralanto, ny tarika Vetsonkira ary Inah. Mandritra ilay seho izay hatao rahampitso, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io. Mazava ny nisafidianana ireo vahiny, satria efa mpiara-mitsikombakomba tanaty mozika niaraka tamin’ny tarika ireo, nandritra izay 15 taona izay. Na izany aza, hibahana amin’ny seho ireo sanganasan’ny tarika zandry Gasy, miampy ireo vitsivitsy nofohazina sy nindramina, narindra amin’ilay “Bà Gasy mazia Romotra”.
Hisy ny fandaharanasa “Classe patrimoine”, ho an’ireo sekoly CEG sy Lycée miisa 8 eto Antananarivo. Araka ny anarany, natao hampahafantarana bebe kokoa ireo mpianatra ny momba ireo harembako-pirenena izy ity. Hatao isaky ny alarobia sy zoma hariva izany, ka hitety ireo sekokim-panjakana ireo. Efa nosokafana tamin’ny 22 avrily teo, teny amin’ny Lycée Andohalo ny hetsika, ka nandray anjara tamin’ny “circuits des martyrs” ireo mpianatra nanao ny fitsidihana, izany hoe, ny lalana niainga avy eny Antaninareniny hatreny amin’ny Rova.
Tsangambato Siméon Rajaona. Tafiditra ao anatin’ny faha-100 taonany. Notanterahina, omaly, 24 avrily teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny fitokanana ity tsangambato ity. Nampitondraina ny anarana “Siméon Régis Rajaona” ihany koa ny lalana avy eo amin’ny « rond-point » Ankorahotra miakatra makany amin’ny Oniversiten’Antananarivo.




