Nitokana ny masoivohon’ny Banky foiben’i Madagasikara, ao Antsirabe, afakomaly, ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny vola malagasy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Voaresany ny fanakaikezana kokoa ny vahoaka.
“Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Fanavaozana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fametrahana ny sampandraharaham-panjakana eny ifotony hanakaiky vahoaka.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’izany. Hanamaivana ireo manan-draharaha izany, indrindra hanafaingana ny ny raharaham-panjakana.
Manana andraikitra eo amin’ny fifandraisana ara-toekarena anatiny sy iraisam-pirenena ny Banky foibe. Izay no maha tsy azo ihodivirana azy eo amin’ny toekarena. Eo ny famehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fitantanana ny politika fanakalozam-bola amin’ny fiarovana ny lanjam-bola. Eo koa ny famoaham-bola, ny fitahirizana ny volam-panjakana sy ny fanohanana ny politika ara-toekarena ankapoben’ny governemanta, ny fiarovana ny fahaleovantena hanamafisana ny tahirim-bola vahiny, ny fiatrehana ny fampandehanan-draharaha mifameno amin’ny asan’ny fanjakana.
Niakatra ny lanjan’ny Ariary
Tao anatin’ny herinandro maro izay, miakatra ny lanjan’ny Ariary. Irariana ny hitohizan’izany. Fanamby miandry ao anatin’izao savorovoro maneran-tany izao ny fanomanana ny enti-manana eo amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany, enti-miatrika ireo sedra mety hitranga.
Nitokana ny tobin’ny Vondron-kery manokana hery vonjy taitra (GFSI) tao Arivonimamo izy. Teo koa ny fanomezana mari-pankasitrahana “brevet” hery manokana “Ampinga” ho an’ireo miaramila vita fiofanana, ny fanolorana ambany faneva ireo hanao fanompoam-pirenena. Hatsangana any amin’ny faritra mena ny toby toy izany, ka ny fiadidiana ny Fanavaozana no hiantoka. Hakarina avo roa heny ny sakafon’ny miaramila (PGA), 11 000Ar manomboka izao.
R. Nd.




