Minisiteran’ny Fitsarana : “Tsy mpanakorontana i Herizo mpikamban’ny Gen Z”

“Araka ny vokatry ny fanadihadiana, mihevitra ny fitsarana fa tsy mpanakorontana ireo tanora Gen Z voakasika, na teo aza ny fisian’ny fifanakalozana tamin’ny alalan’ny SMS sy ny hafatra miafina “WhatsApp” teo amin’i Herizo sy ireo olona heverina fa mety nikononkonona fanonganam-panjakana ka antony tsy main­­tsy nitondrana azy ireo teny anivon’ny polisy ka na­naovana fanadihadiana lalina.” Io ny fampahafantaran’ny talen’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, Ramanana Onitia Amintsoa, tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny tatitry ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana momba ny raharaha izay mahavoarohirohy ny mpikambana ao amin’ny Gen Z, i Herizo, izay. Voaray sy nodinihina araka ny lalàna manan-kery ny zava-misy rehetra.
Momba azy manokana, napetraka eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana izy. Na eo aza izay didy navoaka izay, manamafy ny minisiteran’ny Fitsarana fa manana zo haneho hevitra malalaka izy. Saingy tsy maintsy atao ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna velona izany. Mba hiantohana fa tsy hiverina amin’ny asa mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka izany. Na ho voasariky ny fitaoman-dratsy na famatsiam-bola mikendry korontana izy. Manamafy hatrany ny minisitera ny fanoloran-tena amin’ny fiarovana ny filaminam-bahoaka sy ny fanjakana tan-dalàna, ary miantso ny rehetra hanaja sy hanaraka ny lalàna manan-kery misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

R. Nd.

Partager sur: