Andrianainarivelo Hajo : « Aoka isika tsy handiso fanantenana… »

Naneho ny heviny manoloana ireo zava-nitranga sy ny fanehoan-kevitra maro nipoitra tato ho ato manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­nai­narivelo Hajo. Nambarany fa mendrika hajaina, raha mbola tena mandala ny demokrasia isika, ireny fanambarana sy fanehoan-kevitra ireny. Manoloana izany, nanteriny fa samy saro-piaro amin’ny firenena ny rehetra, ary heverin’ny filoha nasionalin’ny MMM fa rariny tanteraka izany. « Tsy fotoan’ny fisaratsarahana intsony anefa izao. Fotoan’ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana. Adidy iombonana ny tsy handiso fanantenana ny olom-pirenena », hoy izy. Notsindriny fa tena miandry fanovana tena izy ny rehetra, indrindra fa ny tanora tompon’ny ampitso. Miandrandra hoavy tsaratsara kokoa avy amintsika rehetra, araka ny nambarany hatrany.
Tsy maintsy miorina amin’ny fifampihainoana, ny fifampidinihana, ny fiaraha-misalahy ary ny fametrahana tanjona iombonana ny lalantsaina to­kony hitondrana izany fanavaozana marina izany, hoy izy. Notsiahiviny fa ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra am-pa­ha­tsorana sy ny fifanajana ihany no ahafahantsika miatrika ireo fanamby maro miandry antsika. « Hatao izany hamaliana ny hetahetan’ny olom-pirenena nandritra ny tolona teny an-kianja ary hananganantsika Mada­gasikara vaovao », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Ma­lagasy miara-miainga, Andria­nai­narivelo Hajo.

Synèse R.

Partager sur: