TARATRY ny KANTO

Hotohizana anio ny « Nofy adala » an’i Babai Lugu. Mbola tsy tafidina tsara avy eny ambonin’ny rahona nisy azy, omaly, izy sy ry Alala ary ny Katsa­katsa, dia hiaraka indray amin’ireo miray nofy ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Amin’ny 7 ora hariva ity fihaonana ity, izay arahina fivarotana kapila, fiaraha-maka sary, sns. Seho ankalamanjana lehibe voalohany ho an’i Babai Lugu sy ny tariny iny omaly tao Antsaha­manitra iny. Nitarafana ny fankafizan’ ny mpiray tanindrazana ny kantony anefa, na dia tsy monina eto aza izy ireo.

Homarihina rahampitso ny « Jazz Day ». Hisy ny hetsika manonana, an’io, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo hatrany. Manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva izany, izay natao indrindra hamantarana ny «Tremplin Madajazzcar», satria efa tsy nisy ihany ny hetsika tamin’ny volana oktobra farany teo, noho ny toedraharaham-pirenena. Izay mpiangaly jazz heverina fa misandratra sy ho avin’izany no hasongadina mandritra io fotoana io.

Haverina ilay seho Fahatsiarovana an’i Vola sy Noro. Tapaky ny taraka izay manohy ny kanton’izy ireo io ka hotontosaina ny alahady 28 jona ho avy izao izany. Hamerenana ireo hira rehetra nataon’i Vola sy Noro fahavelon’izy mirahavavy, tsy hasiana fanovana rindra ny seho. Ankoatra ireo taranaka, hanampy azy ireo koa ireo mpanakanto zoky toa an-dry Solo Andrianasolo.

Partager sur: