Fifandraisana diplaomatika: Nampanantsoin’ny minisitera ny ambasadaoro frantsay

Mihenjana manoloana ny fitondran-tenan’ny diplaomaty sasany eto Madagasikara ny fitondran’ny Fanavaozana. Nampanantsoina teny Anosy ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois, omaly.

Voaantso teny amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny ny ambasadaoron’ny Repoblika frantsay, Sem Arnaud Guillois, omaly, araka ny fanambarana nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nampahafantarina ny ambasadaoro nandritra ny fihaonana, tamin’izany, ny fanapahan-kevitry ny governeman­tan’ny Fanavaozana ny mom­ba ny mpiasa iray eo anivon’ny masoivoho frantsay eto An­tananarivo. Tsy sitraky ny fitondram-panjakana (“persona non grata”) izy.
Nohamafisin’ny minisitera fa anton’izany ny fihetsika heverina fa tsy mifanaraka amin’ny sata ananany. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny manampahefana isan-tsokajiny eto an-toerana. Nivoitra taorian’izany ny mahakasika ny asa fanakorontanana, izay nahatafidirana olom-pirenena malagasy sy vahiny, araka ny fanambarana.

Matotra
Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, saingy manantitrantitra ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa manamafy hatrany ny firaiketan’ny governemantan’ny Fanavaozana amin’ny fanajana ireo foto-kevitra mifehy ny fifandraisana diplaomatika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Izany dia araka ny Fifanarahana natao tany Vienne, tamin’ny taona 1961. Mitazona mandrakariva ny fifandraisana marim-pototra, miorina amin’ny fifampitokisana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena, i Madagasi­kara.
Araka izany, andrasana ny fanapahan-kevitry ny eo anivon’ny ambasady frantsay eto Antananarivo. Andrasana koa ny fampodiana any Frantsa izay mpiasa ao aminy tsy sitraky ny fitondram-panjakana malagasy izay.

R. Nd.

Partager sur: