FANTINA sy FINTINA

Haka traikefa any Rosia ny Ceni. Nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fanaraha-maso ny fifidianana notanterahina tany Rosia ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Tafiditra ho anisan’ny mpikambana i Madagasikara, taorian’ity fampiofanana ary nahazo fanasana hanara-maso ny fifidianana depiote, hatao any Rosia, ny volana septambra izao.

Voafidy ho ben’ny Tanàna lefitra ao Choisy-le-Roi, any Frantsa, ilay Malagasy, Andriantafika Josephin. Maherin’ny 46 000 ny mponina ao amin’io tanàna io. Tsiahivina fa efa nisahana andraikitra ambony tamin’ny fitantanam-bolam-panjakana «Cadre supérieur en finances publiques», nandritra ny 20 taona, tao Frantsa, ity teratany malagasy ity.

Afaka manangana rafitra mahomby sy matanjaka ho an’ny fireneny avy i Afrika rehefa mifampatoky sy mifampizara traikefa, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. Nandritra ny fandraisany ny filohan’ny Antenimiera Kenyanina, teny Tsimbazaza, no nanambarany izany.

Partager sur: