Nahazo solosaina miisa 100 avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera (MSK) sy ny ORTM, ny alatsinainy teo. Hetsika mifanandrify amin’ny herinandron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny haino aman-jery ho an’ny daholobe. Hanafainganana ihany koa ny fanovana niomerika eo amin’ny sehatry ny fampitam-baovao izao fanomezana izao. Solosaina miisa 50 natokana ho an’ny MSK, raha ho an’ny “Office de la radio et de la télévision malgache” (ORTM) kosa ny 50 hafa. Haparitaka any amin’ny faritra ny ankamaroan’ireo fitaovana ireo mba hamaliana ny filana any an-toerana satria efa antitra sy simba avokoa ny ny 80% amin’ireo “émetteurs” miisa 260 manerana ny Nosy. Tanjona ny hamerenana ny onjam-peom-pirenena (RNM) ho fitaratra sy maoderina ary afaka mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho fanomezana fitaovana enti-mamokatra ho an’ny mpanao gazety sy ny teknisianina ihany koa.
Henintsoa




