Barean’i Madagasikara: Hanao lalao ara-pirahalahiana roa amin’ny volana jona

Tonga nanatrika ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny zoma teo, ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­ma­nam­pisoa Alfred. Nandritra ny fanadihadiana natao taminy, nilaza izy fa hiatrika lalao ara-pirahalahiana any ivelany ny Barean’i Madagasikara, ny vo­lana jona ho avy izao. Antony, mbola tsy afaka hampiasaina ny Kianja Barea noho izy mbola ao anatin’ny fanatsarana amin’izany fotoana izany. “Hisy lalao ara-pirahalahiana roa hatao amin’ny volana jona, ka mety hotanterahina any Tunisie, na Maroc, na Turquie, izany”, hoy ny filohan’ny FMF. Raha tsy misy ny fiovana farany, hampahafantarina ny volana mey ho avy izao ny anaran’ireo firenena roa hifandona amin’ny ekipa nasionaly malagasy. Natao hanomanan’ny Barea ny fiatrehana ny “Can 2027” ireo fihaonana ireo. Ankoatra izay, nilaza ny mpitantana ny rafitra federalin’ny taranja baolina kitra eto Madagasikara fa tsy maintsy hatsaraina hatrany ny ekipam-pirenena. Anisan’izany ny fametrahana ny akademia etsy Carion, rehefa voatokana. Tsara ny mampahafantatra fa efa tonga eto Madagasikara ilay fiarabe natokana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy.

Fitia Randria

Partager sur: