Mitsipaka marindrano ny fiampangana ny diplaomatiny miasa eto Madagasikara ry zareo frantsay. Nampanantsoina tany amin’ny Quai d’Orsay, ny mpirakidraharaha malagasy, miasa ao amin’ny masoivoho any Paris.
Mazava ny an-dry zareo Frantsay: tsy mikasa, tsy mandray anjara, tsy tafiditra amin’ny raharaha fikasana hanakorontana ny fitondram-panjakana eto Madagasikara izy ireo. Ho setrin’ny fampiantsoana ny ambasadaorony, miasa sy monina eto amintsika, dia nampiantso ny mpirakidraharaha malagasy izy ireo, omaly, tany amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay, ao Quai d’Orsay. Nampahafantatra izy ireo fa mitsipaka ny tsy fankasitrahan’i Madagasikara, tomponandraikitra iray miasa eto an-toerana. Mihenjan-droa ny tady!
Marihina, araka ny fizaram-baovao nataon’ny mpanao gazety, mpanao fanadihadihana lalina, Thomas Dietrich, omaly, fa ny lietna-kolonely Pierre Couve, izay miandraikitra ny sampandraharahan’ny filaminana ao amin’ny Ambasady, ity tsy ankasitrahan’i Madagasikara ity. Hatreto anefa, tsy misy filazana ofisialy mahakasika ny mombamomba ilay diplaomaty.
Migadra !
Etsy ankilan’izay, teratany frantsay, miaramila taloha, no nampidirin’ny fitsarana malagasy any Tsiafahy, omaly maraina be. Niatrika ny fampanovana, niaraka tamin’ny Gen Z sy miaramila malagasy ary sivily maromaro izy. Ampangaina ho mpanaparitaka vaovao diso hoentina manakorontana, nikasa hanimba fananam-panjakana, fanafenana olona namoahan’ny fanjakana didy fampisamborana. Ankoatra izay ny fizaram-bola sy fikambanan’olon-dratsy.
Tsiahivina fa miandry ny fotoam-pitsarana ity teratany frantsay ity, hiatrika ny mpitsara mpanao famotorana kosa ny kly Rakotomamonjy Patrick, napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny Gen Z toa an-dry Dr Ramanantoanina Carine sy Andriamalala Rija izay voalaza ho natao fitaovana. Mbola misy olon-kafa tafiditra amin’ity raharaha ity, saingy ny fanadihadiana no hamaritra ny tohiny.
r.r sy R. Nd




