Rafi-panjakana miahy ny fitrandrahana akoranafo stratejika ny Omnis. Teren’ny fehezan-dalàna mifehy ny solika, hamatsy ny tsena anatiny ny kaompania, toy ny Madagascar Oil, mitrandraka any Tsimiroro.
Nampahatsiahy ny fehezan-dalàna 96-018 ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo stratejika (Omnis), ny tale jeneraly, ny général de Brigade Andriantaolo Tsilavonjato Honoré, omaly. Voalaza ao fa adidy sy andraikitry ny Omnis ny mampanaja ny voasoratra ao anatin’ny fifanarahana, mahakasika ny fitsinjarana ny vokatra (Contrat de partage de production). Tsy azon’ny orinasa Madagascar Oil raisina samirery ny fanapahan-kevitra momba ny famokarana, raha tsy efa nankatoavin’ny rafi-pitantanana ara-teknika sy ara-pitantanana, toy ny TCM sy ny MCM. Teren’io fihezan-dalàna io ny orinasa Madagascar Oil, mitrandraka ny menaka mavesatra any Tsimiroro, hamatsy ny tsena anatiny, ka arahin’ny Omnis maso akaiky. Anjaran’ity farany koa ny manaraka ny fenitra ara-teknika, ara-toekarena ary ara-tontolo iainana, sady miaro ny tombontsoan’ny firenena Malagasy.
Nilaza ny DG ny Omnis, fa atao am-pitandremana sy am-pahamarinana ireo tetikasa hafa eo am-pandinihana na mbola tsy nahazo fankatoavana ofisialy. Tsy maintsy hifampidinihana amin’ny fomba ofisialy ny fanapahan-kevitra lehibe rehetra. Tanjona ny mba ho an’ny tanindrazana sy ny Malagasy ny fitrandrahana ny loharanon-karena ara-tsolitany sy entona voajanahary eto Madagasikara.
Entona gazy any Sakaraha
Manana tetikasa maro hafa, hamahana ny tsy fahampian’ny angovo ihany koa ny Omnis. Toy, ny hitrandrahana ny Uranium any Tranomaro, Makay, Folakaro. Sns. Eo koa ny hitrandrahana ny arintany any Sakoa. Ny hitrandrahana ny akoranafo any Bemolanga. Ahazoana angovo herinaratra ihany koa ny entona na gazy any Mahaboboka Sakaraha, izay vao notsidihin’ny filohan’ny PRRM, Randrianirina Michaël, farany teo. Hita, fa mirehitra avy hatrany ny entona voajanahary rehefa natao fanandramana.
Njaka Andriantefiarinesy




