TARATRY ny KANTO

Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy ihany koa isika, omaly. Isaky ny 29 avrily izany, saingy efa herinandro mialoha izao no nisy ny hetsika isan-karazany. Vory tetsy amin’ny Havoria Anosy ireo mpisehatra rehetra momba ny dihy: mpamorona, mpandihy, mpankafy, sns. Nanjakan’ny fifanakalozana, nanehoana indray fa kanto tsy misy fefy, tsy voafetra ny dihy. Tsy manavaka sokajin-taona ary manome lanja ny fanilo miampita ka mitaiza ny taninketsa ireo voky traikefa.

Notolorana « Paotsatroka » ireo « ta­pa-porohana sisa tsy may », nampiaina ny onjampeo RNM. Nomarihina omaly, ny faha-95 taona nisian’ity onjampeom-pirenena ity, tetsy Antaninarenina. Mbola maromaro ireo mpiasa tao fahiny no nasaina manokana tamin’ny lanonana, ka nomena ny “Paotsatroka”. Heverina fa mbola mihoatra noho ny mariboninahi-pirenena sy ny mariboninahitry ny kanto izany, satria tena natao hiderana sy hankasitrahana azy ireo noho ny nametrahany tantara ho an’i Madagasiakara. Anisan’ireny ry Latimer Rangers, Gege Rasamoely, Nirina, sns.

Hisy ny atrikasa fitendrena gitara, handalinana ireo sanganasan’i Bessa. I Sahaza Guitariste no hitarika izany sy hizara ny traikefany ho an’ireo efa mpitendry gitara te handalina bebe kokoa. Hatao eny Ambohimahitsy izany, rahampitso zoma 1 mey, manomboka amin’ny 8 ora hatramin’ny 11 ora, ka afaka miditra ao amin’ny pejy facebook an’ity mpanakanto sady mpampianatra mozika ity ireo liana rehetra. Ny fototr’ireo hiran’i Bessa hiangaliana an-gitara no hifampizarana mandritra izany.

Hifamotoana etsy amin’ny La City Ivandry, ireo mpiondana ny rap gasy old school, rahampitso zoma 1 mey, manomboka amin’ny 8 ora alina. Io ilay seho voalohany hanokafan’ny tarika Da Hopp ny faha-35 taonany, izay taonan’ny rap gasy ihany koa. Mbola manohy, mamerina sady mampita ry Ben J sy ny namany. Na izany aza, mitahiry fahatsiarovana ho an’ireo mpiondana foana ireo hira taloha, izay tsy azo dinganina rehefa seho fahatsiarovana toy izao.

Partager sur: