Nomarihin’ireo tomponandraiki-panjakana tamin’ny alalan’ny diabe teto an-dRenivohitra ny fanamarihana ny fetin’ny asa, omaly. Nitarika izany ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta ary ny PDS Antananarivo, Ralambomanana Feno. Nolalovana ny teny Anosy sy Analakely…
Natao fitaovana politika hatramin’izay ny asa fanaovan-gazety, araka ny nambaran’ny filohan’ny CTOJM, Andry Raharison, tamin’ny fanamarihana ny Andro ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. « Fotoana izao tokony hijoroana araka ny sata sy ny fanompoana ny vahoaka », hoy izy.
Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa, fa tsy ampy iandraiketan’i Miary Rasofoarijaona ny minisitera iray. « Hitan’ny fitondram-panjakana izany ka nomena andraikitra izy hiandraikitra, hitantanana minisitera miisa 30 », hoy izy. Tsiahivina fa voatendry ho talen’ny serasera eo anivon’ny Primatiora izy izao.
Tsy azo ihodivirana intsony ny fanavaozana lalina ny sehatry ny asa eto amintsika, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, amin’izao fanamarihana ny fetin’ny asa izao. « Anisan’ny tokony havaozina ny asa mifandraika amin’ ny tontolo ambanivohitra. Mba ho asa mendrika sy mahavelona ary mampivelatra izany», hoy izy.




