Tsipy kanetibe – Afrique 4 : Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena

Nandihizan’ny Malagasy indray ny tatsy Maurice, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, faritra fahefatra. Nofaohan’ny Malagasy avokoa ny medaly volamena miisa efatra niadiana tamin’izany. Firenena telo no niady ny lohany dia i Maurice, Madagasikara ary i Djibouti.

Nanakoako tatsy Maurice indray ny lazan’i Ma­dagasikara, omaly zo­ma, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, faritra fahafito, teo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Noraofin’ny Malagasy avokoa mantsy ny medaly volamena efatra nandritra izany fifaninanana izany. Efa nampoizin’ny rehetra fa tsy hisy hahatohitra ny Malagasy ireo mpifanandrina taminy. Hatrany am-boalohany dia efa nisongadina ny fahaiza-manaon’ireo Malaga­sy mpilalao.

Raha hiverenana ny vokatra, Maorisianina avokoa no nidona tamin’ny Malagasy, teo amin’ny famaranana.

Ho an’ny olon-tokana, lasan’i Rindra ny amboara. Tsy niady mihitsy ny famaranana satria tsy nisy niainana mihitsy ny tifitra nataon’i Rindra izay tsy voatohitry ny mpifanandrina taminy. Vetivety monja dia azony ny isa 13. Tsy nifanalavitra tamin’izany koa ny teo amin’ny olon-droa, niarahan’i Liva sy i Onja. Nanatombo teo amin’ny fahaiza-miaraka izy mirahalahy. Nifameno ny tifitra sy ny fakana isa. Tetsy an-kilany, efa resy tany anaty môraly ihany koa ireo mpifanandrina taminy, ka tsy nahavaly mihitsy tamin’ny tifitra niraradraraka avy amin’ireo Malagasy mpilalao.
Ho an’ny olon-telo miaraka, norombahin’i Mahandry sy i Tafita ary i Daddy, miampy an’i Kelly, ny medaly volamena. Toy ny nanaovan-dry zalahy fanazaran-tena fotsiny ireo mpifanandrina taminy. Tsy nampitaintaina mihitsy ny famaranana fa nanao lalan-tokana. Ankoatra ireo, lasan’i Hariliva (Ram’s), ny medaly volamena, teo amin’ny fifaninanana mitifitra (tir de précision). Nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Aaontinanta afrikanina izany i Madagasikara.

Tompondaka

Partager sur: