Tanterahina nanomboka ny 30 avrily teo, hitohy hatramin’ny 3 mey izao, any Pretoria Afrika Atsimo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Gymnastique rythmique. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena dia Rakotonirina Tiara. Hiara-dia aminy, amin’izany, ny mpanazatra azy Mr Tatiana. Tsiahivina fa i Tiara no hany Malagasy mbola misehatra amin’ny iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara, eo aminity taranja Gymnastique rythmique ity. Raha ny fandaharam-potoana, efa niaka-tsehatra i Tiara, ny 30 avrily teo, ka mbola mitohy ny fifaninanana hatramin’ny 3 mey izao. Miisa 13 izy ireo no mifaninana ao anatin’ny vondrona A, misy an’i Tiara. Vonona ny hanome ny tsara avy aminy ity Malagasy ity mandritra izao fifaninanana afrikanina voalohany hatrehiny izao.
Mi.Raz




