Hotanterahina ao amin’ny Emirates Stadium Londres Angleterre ny fihaonana eo amin’ny Arsenal sy ny Fulham. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre, “Premier League”. Mila mahita vokatra tsara amin’io ny Arsenal raha tian’izy ireo ny hitazona ny laharana voalohany. Manana isa 73 izy ireo, ary manaraka azy ny Manchester City, faharoa, mitana isa 70.
Hotanterahina any Alzeria, ny 5 hatramin’ny 10 mey izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, sokajy Junior sy Senior. Malagasy mpilomano 11 mianadahy no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany.
Niditra tamin’ny andro fahadimy, omaly, ny fifaninanana nasionaly N1A basikety, dingana voalohany, ho an’ny faritra andrefana. Lalao anisan’ny nitranga omaly ny fifandonana teo amin’ny Dunamis sy ny BC Somava, ka azon’ity farany ny fandresena, tamin’ny isa 74 no ho 65.
Hotontosaina ny 8, 9, 10 mey izao ny “Tournoi de selection Olympiades 2026”, taranja Échecs. Fifaninanana hisafidianana izay mpilalao mendrika hiatrika ny “Olympiades” any Ouzbekistan, ny 15 hatramin’ny 27 septambra izao, ity lalao hatao ity.




