Tenisy ambony latabatra – « Mondial 2026 »: Nofaranan’i Meksika ny dian’ny Malagasy

Raraka… ! Tsy tafita tany amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, ho an’ny lalao isan-tarika, izay tontosaina atsy Londres Ang­leterre, ny 28 avrily-10 mey, ny ekipa nasionaly malagasy. Nahazo faharesena fanindroany indray izy ireo rehefa lavon’i Meksika, tamin’ny isa 3 no ho 1, afakomaly. Andro fahatelo sady farany ho an’ny fifanintsanana isam-bondrona izy ity.
Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny Malagasy tamin’ireo meksikanina, resin’i Castro Rogelio, tamin’ny seta 3 no ho 0, (11-3/11-9/11-9), Rako­toarimanana Fabio. Teo amin’ny fihaonana faharoa, nosahalain-dRazafinarivo Antoi­ne, Malagasy, 1 no ho 1 ny isa, rehefa nahita fandresena seta 3 no ho 2, (11-5/13-11/8-11/9-11/11-9) , nanoloana an’i Madrid Marcos, meksika, ity Malagasy mpilalao ity. Taorian’io, niakatra ho 2 no ho 1 indray ny isa rehefa noresen’i Arce Dario, tamin’ny seta 3 no ho 1, ( 11-3/11-6/ 8-11/ 11-8) Rakotoarisoa Setra.
Nandritra ny lalao farany, tsy tafavoaka teo anatrehan’i Madrid Marcos i Fabio, izay niondrika tamin’ny seta 3 no ho 0, (11-6/11-5/11-3).
Fandresena iray, teo anatrehan’i Mongolia, nandritra ny andro voalohany ihany izany no vokatra tsara azon’ny Malagasy tamin’ireo lalao telo vitany tamin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity. Tsiahivina fa efa resin’i Danemark, 3 no ho 0, i Madagasikara, nandritra ny andro faharoa.

Fitia Randria

Partager sur: