Nitokana zava-bita maromaro sy nampihanta ny vahoakan’i Faratsiho ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël mivady, ny faran’ny herinandro teo. Notsiahiviny tamin’izany ny hetsika ny vahoaka tany an-toerana.
Nentaniny tamin’izany ny ao Faratsiho hanohy ny ady efa nataony fony fitondrana teo aloha. « Ampirisihana isika mba hitazona ary hanamafy ny firaisankina ary ny fifankatiavana efa nasehontsika, nanohitra ny tsy rariny hatramin’izay mba ahafahana mampandroso haingana ny distrikan’i Faratsiho sy ny faritra Vakinankaratra », hoy izy. Nambarany fa tsy maintsy tanteraka eto amin’ny firenena ny fanavaozana.
Notokanana tamin’izao fitsidihana izao ny tsenan’omby sy ny kianja filalaovam-baolina ao an-toerana. Namaly ny fangatahan’ny depiote voafidy ao Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary « Mily » koa ny filoham-panjakana mivady ka nampanantena vola 176 tapitrisa Ar ho an’ny solika hanamboaran-dalana sy fanolorana nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny vahoaka.
Nitohy tany amin’ny kaominina Ambohimiariarivo ny fidinana ifotony avy eo, tamin’ny alalan’ny asa sosialy.
Zanaky ny distrika
Zanak’Ambohimena, Betsiholany ao toerana rahateo, ny Kly Randrianirina Michaël ka nitondra fanampiana ho an’ny vahoaka ny tenany, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Miisa 1 000 ireo marefo nisitraka izany avy amin’ny fokontany fito. Anisan’izany ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), toy ny vary maherin’ny 12 t sy menaka 1 000 l, siramamy. Ny tsaramaso10 t, lamba firakotra, milina fanjairana, koveta sy ny siny ary fitaovana maromaro ho an’ireo manana fahasembanana.
Nampanantena ny tenany, araka ny fangatahan’ny ben’ny Tanàna, fa hanamboatra sy hanarina ny fotodrafitrasa any an-toerana ka handefa orinasa hanao ny EPP sy ny CSB II. Tahaka izany koa ny hametrahana « Panneau solaire » amin’ireo toerana sasany ao amin’ity kaominina, nihaviany ity.
Tsiahivina fa nitarika ny filoham-panjakana mivady tany an-toerana sy ireo delegasionina ny depiote « Mily ».
Synèse R.




