Fototry ny fahombiazan’ny fizakan-tenan’ny faritra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny fifampitokisana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo eny ifotony. « Ho fampandrosoana, amin’ny alalan’ny fitantanana ny harena isam-paritra izany. Hampihena ny fiankinandoha amin’ny fanjakana foibe », hoy izy.
Nampahafantatra ny volavolan-dalana ho fiarovana ireo mpampaneno lakolosy ny eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI) sy ny avy amin’ny Firenena mikambana ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo fa manampy betsaka amin’ny fanatanterahan’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly ny fiarovana azy ireny.
Nihatsara ny laharan’i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Niabo isa 10 izany, araka ny tatitra navoakan’ny Reportres Sans Frontieres (RSF). Eo amin’ny laharana faha-103 maneran-tany isika amin’ity taona 2026 ity raha teo amin’ny faha-113 ny taona 2025.
Nisalotra ny anaran’ny amiraly Ratsiraka Didier ny andiany faha-21 eo anivon’ny CEDS. Navoak tamin’ny fomba ofisialy sy nizarana ny mari-pahaizana “Master of Public Administration” izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Mpiahy azy ireo kosa ny “Consul honoraire” an’ny Repoblika Tchèque Shelly Oukabay.




