Ultima media : Mpanao gazety sivy nahazo mariboninahitra

Nomarihana omaly, 3 mey ny Andro fankalazana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety maneran-tany. Mpanao gazety 106 avy eto Madagasikara no na­hazo mariboninahitra avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, tetsy amin’ny Ivotoro, Nanisana. Grand croix de l’ordre national, commandeur de l’ordre national, grand officiers ary chevaliers de l’ordre national no laharam-boninahitra nomena azy ireo tamin’izany.
Ho an’ny vondrona Ultima Media, nahatratra sivy ireo nisitraka izany : Andriatefiarinesy Njaka, Jean Claude Rakoto­vao, Zoniaina Randriatsiresy, Rakotovololonarivo Tatiana, Rabehaja Holy Danielle, Tiana Rako­to­mavo, Mamiherison Andria­nai­voharijaona, Sabotsy José (Sajo) ary Rasamoelina Mana, talen’ny fanoratana eo anivon’ny Ultima Media. Noto­lorana ny Commandeur i Sajo, Che­valier ny valo ambiny.
« Voahaja ny fahalalahana ho an’ny mpanao gazety tao anatin’ity fanavaozana ity », hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Fe­nosoa. Nambarany hatrany fa ankasitrahana avokoa ny mpanao gazety rehetra tsy ankanavaka, nahavita be teo amin’ny tontolon’ny asa. «Na­tao ambony noho ny fahasamihafana rehetra ny maha iray tsy mizarazara ny mpanao gazety», hoy ihany izy.
Marihina fa natomboka tamin’ny fanaterana voninkazo tetsy amin’ny tsangam-baton’ny OJM ny ivon’ny fanamarihana, omaly maraina.

Mino

Partager sur: