Raha tsy misy ny fiovana, ny Disciples FC Vakinankaratra, laharana voalohany, ao amin’ny Kaonferansy Atsimo, hifanandrina amin’ny Fosa Juniors FC Boeny, fahefatra ao Avaratra, eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (PFL). Ampahatsiahivina ihany fa hatao ny 17 mey ho avy izao ny fihaonana mandroso, ka ry zareo avy any Boeny no hampiantrano voalohany, raha tsy misy ny fiovana. Any amin’ny 24 mey kosa ny fifandonana miverina.
Tsiahivina fa efa nifampitsapa tamin’ny Disciples FC, tany Antsirabe, ny Fosa Juniors, nandritra ny lalao fanomanana an’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, tamin’izany.
Nambaran’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny Disciples FC fa tsy mitsahatra ny fanomanana ho an’ny mpilalaon’izy ireo. “Tsy mitsahatra ny manomana izahay, mitohy hatrany ny fanazarantena. Tanjona apetrakay amin’ity taona ity, mitovy amin’ny rehetra ihany, dia ny hiezaka hanao pao-droa: haka ny amboara nasionaly sy ny ho lasa tompondakan’i Madagasikara indray”, hoy hatrany ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba Vakinankaratra.
Ny 2024, efa voahosotra ho tompondakan’ny PFL ny Disciples FC, ary efa niatrika ny “Ligue des Champions Caf”.
F.R




