Nisokatra, omaly, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, amin’ity taona ity. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filoha, Randrianasoloniaiko Siteny, fa mitaky vokatra amin’ny governemanta ny vahoaka.
“Miandry sy manantena vokatra azo tsapain-tanana sy misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro ao anatin’ny fotoana fohy ny vahoaka malagasy”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nanomboka ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza, omaly. Antenaina fa ho tena “Choc choc” tokoa ny governemanta. Tsy hihemotra na hitavozavoza amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fangalarana volam-bahoaka sy ny harem-pirenena, raha ny filazany. Hifantoka kokoa amin’ny famahana ny olana tena laharam-pahamehana ny tetibolam-panitsiana. “Mahatsapa ny Antenimierampirenena fa efa ela nijaliana sy sahirana ary niaritra ny mafy ny vahoaka malagasy”, hoy izy.
Nampahatsiahiviny fa adidy sy andraikitra napetraky ny lalàmpanorenana amin’ny mpitondra ny hitondra sy hametraka tontolo manodidina ny ara-tsosialy sy toekarena milamina, hahazoan’ny vahoaka malagasy hanana fiainana mendrika sy ny maha olona.
Azo tsapain-tanana
«Noho izany, tsy manan-jo tsy hahomby sy hamitaka ary handiso fanantenana ny vahoaka.
Maro ireo asa mbola miandry… Hanombohana ny fanatsarana ny fiainam-pirenena amin’izao Fanavaozana izao, andrasana ny fanatsarana ny fandriampahalemana, ny fahasalamana, ny fampianarana… Eo koa ny fanamboaran-dalana sy ny fotodrafitrasa maro potika tanteraka, ny fanarenana ireo orinasa lehibe stratejika izay tokony ho andry ara-toekarena ary tsy ho loharanom-pahasahiranana. Manjary fahantrana ny harena tsy voakarakara.”, hoy hatrany izy.
Hatomboka tsy ho ela ny asan’ny vaomiera parlemantera mpanadihady ny fitantanana ny Air Madagascar, ny tetikasa harena an-kibon’ny tany Ambatovy, ny tetikasa Base Toliara, ny fitantanana ny Jirama, ny fitantan’ny filoha teo aloha Rajoelina, ny fitantanana ny zotran-dalamby, ny fitrandrahan’ny QMM “ilménite”, sns.
R. Nd.




