SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny Disciples FC Espoir Analamanga sy ny Valahara FC Vakinankaratra. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fiodinana faharoa amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe 2026. »

Hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Camp Nou, Espaina, ny fihaonanan’ny FC Barcelone sy ny Real Madrid FC. Lalao «Classico» izay tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, la Liga. Hatramin’ny omaly, nisy ny fifandirana teo amin’ny samy mpilalaon’ny Real Madrid, ka andrasana ny vaha-olana raisin’ireo mpitantana mahakasika izany.

Hotanterahina anio sy rahampitso alahady 10 mey, eny amin’ny kianja motafon’Ankorondrano, ny fifaninanana “Ligy Tournament Karate”, eo anivon’ny ligin’Analamanga ny Karate-do. Fifaninanana hanokafana ny taom-pikatrohana 2026 izy ity ho an’ny ligin’ Ana­lamanga.

Partager sur: