Ambositra : zandary 1498 naseho ambany faneva

Nahavita fiofanan fototra maha miaramila taorian’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra, naseho teo ambany faneva ny andiany faha-77 mitotaly 1498 mianadahy, afakomaly. Niroso tamin’ ny fanomezana anarana na ny “baptême de promotion” indray ka VASIA no anarana nosafidian’izy ireo na kintana izany. Anarana midika hoe fanoloran-tena ho an’ny tanindrazana, «Action, Succès, Intelligence, Amitié» . Nanafatra ny SEG fa dingana kely ao anatin’ny fiainana miaramila iny vita iny. Ho maro ny miandry azy ireo. Manomboka eto ny fiofanana maha zandary ka tokony hisikina tsara izy ireo, hoy ny Sekretera jeneralin’ny zandarimariam-pirenena, Gal Gellé Serge. Efa nanomboka ny fampianarana ireo taranja rehetra momban’ny asan’ny zandary. Entin’izy ireo miatrika sy manomana ny eny an-kianja izany. Marihina fa ny telo volana voalohany izay no vita. Hiroso amin’ny telo volana faharoa, fahatelo sy fahaefatra kosa ireto andiany faha-77 ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: