Mitety tany

 

Efa mahazo faka tanteraka ny fitondran’ny miaramila ny tanàna. Efa mitety vazantany sy manatrika fivoriana iraisam-pirenena maro ny Filoha sy ny ekipany. Midika izany fa tsy manana olana amin’ny sehatra iraisam-pirenena intsony i Madagasikara. Resabe sisa ny mahakasika izay sazy arangarangan’ny fikambanana iraisam-pirenena. Efa mahazo avara-patana ny Malagasy. Lavina fotsiny ny fanasana sasany.
Iza tokoa ny firenena tsy mitsiriritra an’ity Nosy manan-karena sy manan-jina ity. Ny mpandalo na ny mitoetra, tsy hiala fa maka maminy eto avokoa. Anisan’ny firenena ahafahana miaina anatin’ny filaminana sy ny moramora rahateo, vantany vao manam-bola. Rehefa manan-katao migadona eto, efa tsy manan-tsaina ny hody intsony. Vao manakalo devizy dia efa mamofompofona ho manan-katao. Ho lavitry rafahantrana.
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fisokafana, na dia fatiantoka aza ny sandam-bola ambany. Zava-dehibe ny fifaneraserana satria harena mahakasika ny kolontsaina sy toekarena, ary ny sosialy sy ny politika. Amin’ny maha Nosy, tsy afaka ny miolonolona, kanefa tsy afaka ny mampigodana ny fivezivezena koa. Izay indrindra no mba tokony hiadian’ny mpitondra satria, indraindray toa mandeha ila ilay zo afaka misitraka ny fidiranan’ny Malagasy any ivelany.
Maro no velon-taraina amin’ny fandavana ny « visa » na ny fahazoan-dalàna ho any Eoropa, indrindra ny ao Frantsa. Tsy maintsy ahitan’ny tomponandraikitra antony foana izatsy na izaroa. Tsy afa-bela Ramalagasy. Ekena hoe tsy ny eto ihany no ataon’ny vazaha fay rano fa ny ankabeazan’ny firenena Afrikanina, na izany aza, mampiteny ny moana. Mila jerena akaiky.
Efa any Nairobi rahateo ny delegasionina malagasy, manatrika ilay fihaonana an-tampony nokarakarain’ny Filoha frantsay, asa hanao ahoana ny voan-dalàna?

r.r

Partager sur: