MECC : Nanamafy ny paikadim-panondranam-bokatra

Nanohana ny fandraharahana sy ny vokatra malagasy ny iraka ara-toekarena sy ara-barotra “Mission économique et commerciale au Canada” (MECC) 2026. Hetsika natao tany Montréal, Kanada, ny 29 avrily ka hatramin’ny 1 mey teo. Nitarika izany ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, tamin’ ny alalan’ny talen’ny Fampiroboroboana ny fifanakalozana amin’ny any ivelany (DPEE). Tafiditra ao anatin’ny paikadim-panokafana tsena vaovao ho an’ny vokatra malagasy sy hanamafisana ny fifandraisana ara-barotra iraisam-pirenena ny hetsika natao. Nandray anjara tamin’ny Salon international de l’agro-alimentaire (SIAL) ihany koa ny delegasionina malagasy izay notohanan’ny tetikasa “Pôles intégrés de croissance” (PIC) ary niaraha-miasa tamin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny fiaraha-miasa Kanada- Madagasikara (CanCham). Nahafahana nampiroborobo ny fanondranam-bokatra eo amin’ny tsena kanadianina ny hetsika natao. Nanampy ihany koa nampahafantatra an’i Madagasikara sy ireo vokatra malagasy eo anivon’ny SIAL izany. Nitadiavana mpiara-miombon’antoka maharitra ho an’ireo mpamokatra sy mpanondrana eto Madagasikara ihany koa. Nokendrena tamin’izany ny hanamafisana ny fifandraisana ara-barotra amin’i Kanada. Marihina fa nampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra antsika tamin’­i Kanada ny MECC.

Henintsoa

Partager sur: