Madagasikara-Rosia : Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa

Tanterahina anio, eny amin’ny biraon’ny masoivoho rosianina, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny faha-81 taona nahazoana ny fandresena tamin’ny ady lehibe faharoa. Lanonana izay notarihin’ny mpiraikidraharaha, mpisolo toerana, Alexei Buriak mivady. Nasongadiny nandritra ny lahateny izay nataony, fa nitondra ny anjara birikiny lehibe tamin’ny ady ny fireneny, nanoherana ny fasisma. Nambarany fa tantara iray nanamarika ny fiainan’ny zanak’olombelona ka tsy mendrika ny ho hadinoina izany. «Tsy natao ho fahatsiarovana na fisaonana ny andron’ny 9 mey, fa entina koa mirehareha amin’ny ezaka sy ny sorona nataon’ireo razambe tamin’izany fotoana», hoy izy. Na­siany tsindrim-peo manokana ny fandraisana anjaran’ny miaramila malagasy tamin’ny ady lehibe faharoa. «Taratry ny fifanohanana izany. Mbola manamafy rahateo ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara izahay. Iarahantsika mahafantatra fa hankalazaina amin’ny taona ho avy ny faha-55 taona nanombohan’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta», hoy izy namarana ny lahateniny.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana. Nitondra ny teny, nisolo tena ny fitondram-panjakana mala­gasy ny minisitry ny Foloalin­dahy, Ny Jly Razafitombo Elie. Nivoitra tamin’ny lahateniny fa tsy afaka kosehina amin’ny tantaran’i Madagasikara ny fandresena azo nadritra ny ady lehibe faharoa. Nahatratra 34 000 ny miaramila malagasy nandeha niady. Manoloana ny tranga maro isan-karazany ka nanohintohina ny maha olombelona, manamafy i Ma­dagasikara fa tsy mankasitraka ny herisetra na ny fampiasan-kery tahaka ireny. Mivoy ny fitadiavam-bahaolana am-pilaminana sy diplaomatika. Mampirisika ny fametrahana sy fanesorana ny fitaovam-piadiana eny amin’ny mpampihorohoro.
Marihina fa ny 9 mey no da­tim-pankalazana, saingy omaly no natao ny fanamarihana izany.

r.r

Partager sur: