Nitondra fanazavana mahakasika ny fitantanana nandritra ny naha tale jeneraly azy teo aloha tao amin’ny Madagascar Airlines, i Thierry de Bailleul, omaly. Nampahafantarany fa vitany ny nanarina ny kaompania nandritra ny 21 volana tamin’ny alalan’ny drafitrasa Phénix 2030. Nokianiny tao anatin’izay ny tsy fietezan’ny rafi-pitantanana nataon’ireo tomponandraikitra samihafa. Nasongadiny fa mitentina 25 tapitrisa dolara ny fatiantoky ny orinasa tamin’ny nanendrena azy hitantana ny orinasa nanomboka ny taona 2014. Tafakatra hatrany amin’ny 15 tapitrisa dolara ihany koa ny trosan’ny kaompania. Maro ny asa natao nanarenana ny orinasa tamin’ny laoniny, toy ny fampitomboana ireo fiaramanidina ATR miisa dimy. Niakatra 123% ihany koa ny sidina nataon’ny kaompania. Niakatra 60% ny vola niditra tamin’ny orinasa ary nihatsara hatrany amin’ny 82% ny fifehezana ny fotoana.
Ankilany, manahy ny hisian’ny hosoka sy fanodinkodinana faktiora ka nitarika fandroahana mpiasa, fanenjehana ara-pitsarana ary fandefasana tatitra tany amin’ny Bianco, ny faran’ny taona 2025, ny tenany. Notsikerainy ny tsy fanatanterahana ireo asa nahazoana famatsiam-bola. Miantso ny hijerena akaiky sy hanavaozana ny seha-pitaterana ana habakabaka eto Madagasikara, ity tale jeneralin’ny kaompania Madagascar Airlines, teo aloha ity.
Voatendry ho Tale jeneraly vaovaon’ny Madagascar Airlines Rabarilala Rado, araka ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitantanan’ny orinasa. Nankatoavina ny alatsinainy teo izany taorian’ny fivoriana nataon’ny filankevi-pitantanan’ny Madagascar Airlines, Air Madagascar ary Tsaradia, teny Ivato. Tsiahivina fa nalaza nandritra ny fitokonana nataon’ny mpiasan’ny Air Madagascar, ny taona 2015 izy. Hetsika izay niafara tamin’ny fandroahana azy ka niarovan’ny Me Razafinjatovo Willy, izay nanao ny ezaka hamerenana azy indray tao amin’ny orinasa. Anisan’ireo nitsikera sy nitaky ny fialan’i Thierry de Bailleul ihany koa izy. Voalaza tamin’izay fa tsy mazava ny fitantanan’ity teratany vahiny ity.
Henintsoa




