Fivatravatran’ny « IA »: Loza ho an’ny kolontsain’ny « adalam-pandrosoana »

Tsy azo sakanana intsony. Saika mampiasa na ampiasana ny « intelligence artificielle » na ny « IA » avokoa ny sehatra rehetra (fahasalamana, soratra, zavakanto sy kolontsaina…). Ho an’ ny firenena matanjaka, efa notezaina hahay mandray sy mampiasa azy io ny olona ao aminy. Vao 12 taona monja ny zaza, efa mahafantatra sy mahay manavaka ny tena izy sy ireo namboarina na nampiasana ny « IA ». Amin-dry zareo, fitaovana hoenti-ma­nampy eo amin’ny fiainanana andavanandro ny « IA »
Ho an’ny firenena «adalam-pandrosoana», loza mi­tatao ho azy ireo izy io. Mafy sy matanjaka ny fiantefany eo amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Manom­boka ny mpamoron-kira sy ny mpihira fa simbain’ny « IA » ny sanganasan-dry zareo, satria, very tanteraka ny fototra.
Ao anefa ireo faly, satria, « hafa mihitsy ny fandrenesana azy izany ». Fihetsika izay maneho avy hatrany fa sady tsy nomanina handray sy hampiasa azy ity (IA) ilay firenena sy ireo mponina ao aminy no tsy mahafantatra ny kolontsainy akory ka mi­antsampy amina kisarisarin-javatra.
Raha maniry fatratra ny fihenan’ny fampiasana « IA » ao aminy ireo firenena ma­tanjaka sy mandroso. Misisi­ka mafy sy te hampitombo fatratra ny fiankinandoha amin’io kosa ireo firenena mahantra sy fadiranovana.

HaRy
Razafindrakoto

Partager sur: