Betsaka ireo fitsabahana ataon’ny fahefana mpanao lalàna, toy ny Antenimierampirenena amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny fahefana mpanatanteraka, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny sendikà mpandraharaha ny fonja, ny sekretera jeneraly, Razafiberison Mohamed. « Tsy mbola voahaja araka ny tokony ho izy ny fisarahan’ireo fahefana », hoy izy.
Mijoro ara-dalàna ny fiangonana Home church Madagasikara, araka ny nambaran’ny mpitarika, Kanto Nomena. Raisin’izy ireo ho fihetsiky ny kanosa ny fanakatonana fiangonana nataon’ny mpitandro filaminana tetsy amin’ny Arena Ivandry, tamin’ity herinandro ity. « Tsy fikambanan-jiolahy na mivoy fanakorontanana izahay », hoy izy.
Namaly ny depiote Rajerison Antoine, nametraka fitoriana, ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny. Nohitsiny fa ireo manam-pahefana ihany no afaka mitory eo anivon’ny HCC. Anisan’izany ny fampandehanan-draharaha sy ny fandikana Lalàmpanorenana ary ny fitohizan’ny Andrimpanjakana.
Niatrika ny fihaonana « State House » tany Nairobi-Kenya, ny vadin’ny filoha, Randrianirina Elisa. Tanjon’ny fiaraha-midinika, tamin’izany, ny ahafahana mametraka politika mazava aty Afrika hiarovana ireo zaza tsy ampy taona sy ny tsy hiankinandoha amin’ny fampiasana Internet.




