Minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga: Tafapetraka ny sekretera jeneraly vaovao

10 andro aty aoriana, vita soa aman-tsara omaly, ny fifamindran’asa eo amin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ ny Jono sy ny toekarena manga. Tsy nahasakana ny famitana izany ny savorovoro vao maraina sy ny sakana nataon’ ny mpiasa sasany sy ny sendikà.

Tanteraka ihany! Nandray ny toerana maha sekretera jeneraly vaovao ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga azy, Ravelo­manantsoa Be-Rija. 11 andro taty aorian’ny nanendrena azy tao amin’ny filankevitry ny minisitra, vao tontosa soa aman-tsara, teny Ampan­drianomby, izany. Nanamba­ra izy, nandritra ny lahateny nataony, fa valimbabena entiny ho an’ny tanindrazana izao fandraisana ny toeran’ny sekeretra jeneraly izao. Ani­san’ny ho vaindohan-draharahany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana fanavaozana tena izy. « Seha-pihariana manana ny maha izy azy ny resaka jono sy ny toekarena manga. Mitazona ny anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madaga­sikara, taratry ny fiandrianam-pirenena ka tsy azo atao ambanin-javatra. Miantso ny mpiara-miasa rehetra aho mba hifanolo-tanana amin’ny fampandehanan-draharaha. Efa nisy rahateo ny fifampiresahana tamin’ny sendikà mialoha ny nandraisako ny asa », hoy izy.
Nitsodrano sy nitondra ny fankaherezana ho an’ny mpa­n­­dimby azy kosa ny sekretera jeneraly taloha. « Betsaka ny asa efa natomboka, betsaka no mila fanohizana, koa maniry ny tena mba tsy ho raraka an-tany ny ezaka vita. Maro ny adidy miandry amin’ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga koa manao antso avo amin’ny mpiasa rehetra aho hifanohana. Misokatra rahateo ny varavarana raha misy ny fifanampiana ilaina », hoy i Nasolo Adakalo. Ity farany izay, voatendry ho lehiben’ny Faritra, mpisolo toerana, ao Mahajanga, amin’izao fotoana izao.
Marihina fa efa mpiasan’ny minisitera nandritra ny sivy taona Ravelomanantsoa Be-Rija.  Efa talem-paritra tany Analanjirofo sy tao Boeny izy. Dokotera veterinera am-perinasa. Tanora nitari-tolona ihany koa.

r.r

Partager sur: