Baolina kitra – PFL : Hafana ny fihaonan’ny Fosa Juniors sy ny Disciples FC

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL). Tsontsorimamba isarahana ny an’ireo ekipa 8 manohy ny fifaninanana, amin’ity.

Hotanterahina anio sy rahampitso alahady ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny “Pureplay Football League (PFL)”. Anisan’ny handray izany fihaonana izany, rahampitso alahady ny Kianja Rabemananjara Boeny. Ham­piantrano ny Disciples FC Vakinankaratra ny Fosa Ju­niors FC Boeny. Laharana fahefatra ao amin’ny kaonferansy Avaratra ny Fosa Juniors, izay hiezaka ny hanohitra ny Disciples FC, laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy Atsimo. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nidona tany Antsirabe ny roa tonta, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana nanomanana ity taom-pilalaovana ity. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, izy ireo, tamin’izany. Tsy manana mpilalao kalaza ny ekipa avy ao Boeny, fa saika ireo taninketsa novolavolainy avokoa no tazana miaro ny voninahitr’ity klioba ao Mahajanga ity. Mpilalao efa voky traikefa sy efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Barea Chan kosa ny ankabeazan’ireo ao amin’ny Disciples. Ani­san’izany i Dahery, kapitenin’izy ireo sady efa nilalao tao amin’ny Fosa Juniors teo aloha, eo koa i Fely, efa nandalo tao amin’ny klioba Boeny ihany koa, ankoatra izay, misy an’i Rado Be, sy Andy, i Bono, Claude, Tendry sy Rado kely, ao amin’ity klioba avy any Vakinankaratra ity. Raha tsy misy ny fiovana, amin’ny 23 mey ny fihaonana miverina amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, hatao any Antsirabe.

Fitia Randria

Partager sur: