Niraradraraka ny medaly ho an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, natao tany Egypte. Medaly 14 be izao no azon’ny Malagasy, raha toa ka atleta 6 monja no nisolo tena an’i Madagasikara. Volamena ny 6 tamin’ireo medaly azon’ny Malagasy ireo ka Andriatsitohaina Tojo, teo amin’ny sokajy 79 kg sy i Elariont Ricardo, teo amin’ny sokajy 60 kg no nandrombaka izany (arraché, épaulé jeté ary total Olympique). Nahazo medaly volafotsy 3 kosa i Havotraniaina, teo amin’ny sokajy 60 kg ihany. Teo amin’ny sokajy vehivavy, niambozona medaly volafotsy 1 sy alimo 2 i Tendry Tsiky, medaly alimo 2 azon’i Shainah ary laharana fahefatra i Fabia. Ankoatra izay, notoloran’ny federasionina iraisam-pirenena medaly volamena, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby, Randriamanarivo Harinelina Jean Alex, noho ny fampivoarana sy fampandrosoana ny taranja eto Madagasikara.
Mi.Raz




