Hotanterahina anio, ny fampivondronana ireo vehivavy mpilalao baolina kitra miisa 37 mirahavavy, hiatrika ny fifantenana ny ho Barea Ladies. Hifandona amin’i Soudan du Sud, ny 6 sy 9 jona ho avy izao, any Soudan, ihany. Marihina fa tsy mbola nampahafantarina ny anaran’ireo mpilalao sy izay ho mpanazatra. Midona amin’i Afrika Atsimo ny Barea, raha tafavoaka amin’io lalao io.
Nahazo tohana tamin’ny filohan’ny delegasiona manokana an’ny Tanànan’Antananarivo sy ny lehiben’ ny faritra ny Makis ladies. Tsiahivina fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Kenya izy ireo, ny 21 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao. Firenena efatra no hiady izay ho lohany dia i Afrika Atsimo, Kenya, Madagasikara ary i Ouganda.
Tanterahina any Sina, ny 16 sy 17 mey, ny “Fiba 3X3 Women’s Series Shanghai”, andiany faharoa, taranja basikety. Tafakatra hifaninana amin’izany ny Ankoay izay efa nanainga an-tanindrazana omaly. I Sambatrarimiora, Koloina, Sarobidy ary i Sydie no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.
Malagasy mpilalao 11 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja échecs, sokajy tanora, tanterahina any Ounganda, nanomboka ny 14 mey teo hatramin’ny 23 mey izao. Anisan’izany i Tsinjoviavo mirahavavy.




